Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Bisikileta – « Tour de Mada »: mitohy ny fifaninanana na eo aza ny rivodoza

Bisikileta – « Tour de Mada »: mitohy ny fifaninanana na eo aza ny rivodoza

Niditra tamin’ny dingana faharoa, omaly, ny hazakazaka am-bisikileta “Tour de Mada”, andiany faha-15. Mitohy ny fifaninanana na eo aza ny rivodoza Belna izay efa ao anatin’ny faritr’i Boeny amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny alahady 8 desambra teo ny hazakazaka, nanodidina ny tanànan’i Mahajanga, nitohy omaly izany, niainga tao Mahajanga nihazo an’Ambondromamy, tamin’ny halavirana 155 km. Lava indrindra ity dingana faharoa ity amin’ireo dingana miisa valo ifaninanana. Saika avy hatrany ny orana tamin’ireo fotoana ireo, saingy tsy nampihemotra ny mpifaninana izany. Raha hiverenana ireo dingana roa efa vita, lohalaharana ilay teratany belge, i Jari Verstraeten, vitany tao anatin’ny 1h 51’50’’ ny dingana voalohany, manana halavirana 70 km. Mpihazakazaka bisikileta ao anatin’ny ekipa belge, i Van Den Mierop, ihany koa no mbola nitàna ny laharana faharoa, teo amin’ity dingana voalohany ity. Ho an’ny mpifaninana malagasy kosa, tany amin’ny laharana faha-4 no nahitana ny solontena malagasy, Rakotoarivony Mazoni.

Nanome tolo-tanana ny fitondrana

Toy ny efa fanaony amin’ny fanohanana ny fanatanjahantena malagasy, nanolotra vola mitentina 10 tapitrisa ariary ho an’ny federasiona malagasy ny hazakazaka am-bisikileta, omaly, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Tinoka Roberto, ho fanohanana ireo atleta malagasy. Nahazo ny anjarany ihany koa, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny taranja handball, nitentina 10 tapitrisa ariary avy amin’ny filoham-pirenena, nisoloan’andriamatoa minisitra tena.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.