Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – “Afroleague”: manoman-tena mafy ny GNBC

Araka ny daty navoakan’ny Fiba Afrika, hotanterahina ny 17 hatramin’ny 22 desambra izao ny fifaninanana hifantenana ireo ekipa telo ho an’ny vondrona H, hiatrika ny “Bal” (Basketball Africa League), ho an’ny taona 2020. Mizara roa: ny H-A misy ny ekipa solontena malagasy, ny GNBC, sy ny H-B, ao anatin’ity vondrona H ity ka any Kigali Rwanda no hifaninana i Madagasikara. Efa vonona tsara ny ekipantsika ary ao anatin’ny fanomanantena tanteraka amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa misy ekipa enina ao anatin’ny vondrona, ahitana ny Patriotes (Rwanda), ny City Oilers (Ouganda), ny KPA (Kenya), ny Ferroviario Maputo (Mozambique) ary ny GNBC (Madagascar) ho an’ny H-A. Ny Unza Pacers (Zambie), ny JKT (Tanzanie) ary ny Cobra (Soudan Atsimo) kosa ny ho an’ny H-B. Telo amin’izy ireo no hanampy ireo ekipa sivy efa tafakatra ka manome ekipa 12, handrafitra ilay “Elite 16” ary hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny “Bal”.

Hatao any Antsirabe ny AGO

Mialoha io fifaninanana goavana hatrehina io, vaovao lehibe eo amin’ny taranja basikety malagasy ihany koa ny fanatanterahana ny fivoriambe tsy ara-potoana, ho an’ity taona 2019 ity. Hatao ny 13 sy 14 desambra izao any Antsirabe ity fivoriambe ity, araka ny fanambarana nataon’ny federasiona malagasy ny basikety, tao amin’ny pejy facebook, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana hanaovana jery todika ny taom-pilalaovana 2019 amin’io ary indrindra, hanaovana tatitra ny ezaka vita sy ny mbola hotanterahina amin’ny taom-pilalaovana 2020.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.