Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy navela hanao fitsaram-bahoaka: andian’olona marobe saika handoro ny tobin’ny zandary

Tsy navela hanao fitsaram-bahoaka: andian’olona marobe saika handoro ny tobin’ny zandary

Nalaky voafehin’ireo zandary ao Lokomby Manakara ihany ireo andian’olona marobe nikasa handroba sy handoro ny tobin’ny zandary, ny faran’ny herinandro teo. Nikasa hiditra an-keriny hanao amboletra hanao fitsaram-bahoaka tao amin’ny tobin’ny zandary ireto andian’olona marobe ireto, saingy voasakan’ireo zandary tamin’ny alalan’ny tifi-danitra izany ka tsy tontosa ny fikasan’ireo andian’olona anjatony ireo. Araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, nitrangana vonoan’olona tao Vohitrapanga, kaominina Ambalaroka, distrikan’i Manakara, ny 25 novambra 2019, antony nitarika ny olana. Voasambotry ny zandary ilay nahavanon-doza tamin’ity vonoan’olona ary efa natolotra ny fitsarana. Manana ny fomban-taniny anefa iny faritra iny ka na inona na inona didy avoakan’ny fitsarana, tsy maintsy manolotra omby ho an’ny fianakavian’ny maty ny ray aman-drenin’ilay nahavanon-doza. Tonga tao amin’ny toerana antsoina hoe Marokorika sy tao Soamiafana, distrikan’i Manakara, nikaroka ny rain’ilay nahavanon-doza ny andian’olona marobe avy any Ambalaroka, saingy tsy nahita ilay olona notadiavin’izy ireo.

Nasain’ireo zandary nisava tao amin’ny toby …

Tezitra, noho izany, izy ireo ka nopotehin’ireo andian’olona ny tranon’ny ray aman-drenin’ilay nahavanon-doza, ny zoma teo. Nametraka fitoriana ao amin’ny zandary avy ao amin’ny GAPJ noho izao fanapotehana ny tranony izao ny rain’ilay tovolahy nahavanon-doza. Ny faran’ny herinandro teo, nisy andian’olona avy any Vohitrapanga nirohotra nihazo ny “poste avancé”-n’ny zandary haka ny ray aman-drenin’ilay voarohirohy hanaovana fitsaram-bahoaka. Nasain’ireo zandary nisava tao an-trano anefa ny solontenan’ireto andian’olona, saingy tsy nahita ilay olona notadiavin’izy ireo. Tsy nionona tamin’izany izy ireo fa niroso tamin’ny fikasana handoro ny tobin’ny zandary. Tsy namela ireo olona hanatanteraka ny fikasan-dratsiny anefa ny zandary fa nandray fepetra avy hatrany tamin’ny alalan’ny fanaparitahana ireto andian’olona marobe ireto. Tsy nisy ny naratra na namoy ny ainy tamin’ity fikasana hanao fitsaram-bahoaka ity.

J.C

Les commentaires sont fermées.