Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Tazonina anaovana famotorana ny zandary iray voarohirohy amina raharaha fanafihan-jiolahy tany Ankazondandy sy tany Sadabe. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tany amin’ireo kaominina ireo, ny herinandro lasa teo. Ahina ho isan’ireo tompon’antoka tamin’izany ny zandary iray miasa ao Sabotsy Namehana. Notondroin’ireo niharan’ny fanafihana ho isan’ireo mpanafika ity zandary ity, nandritra ny fifampifanatrehana. Hita tao an-tranon’ity zandary voarohirohy ity ny tranom-bala iray niaraka tamin’ny odigasy. Andrasana ny tohin’ny famotorana.

Mirongatra indray ny sinto-mahery eny Analakely amin’izao ankatoky ny fety izao. Maro ireo lasibatry ny tontakely satria mifanitsakitro ireo mpiantsena izay isan’ny mampirongatra ireo mpanendaka. Isan’ny mampitaraina ny rehetra koa ny fisian’ireo mpividy volamena tsy ara-dalàna eo Analakely satria rehefa avy manendaka ry zalahy, mivarotra izany eo amin’ireo mpividy volamena ireo.

 

Les commentaires sont fermées.