Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa maro sahady ny takaitra naterany : handravarava ao Boeny  ilay rivodoza Belna  

Efa maro sahady ny takaitra naterany : handravarava ao Boeny  ilay rivodoza Belna   

Mahery vaika ilay rivodoza Belna ao avaratry ny Nosy ao. Mahatratra hatrany amin’ny 195km/ora ny tafiotra entiny. Handravarava ny ao amin’ny faritra Boeny ity rivodoza ity raha ny heriny.Efa nitondra orana sy nampiakatra ny rano  izany…  

Hatry ny omaly, efa nitondra orana betsaka any avaratra sy andrefana i Belna ary efa maro ny tanàna dibo-drano ao amin’ny faritra avaratra ao toy ny ao Sava sy any amin’ny faritra andrefana any Boeny.

Misafotofoto ny rivotra any avaratry ny Nosy ary efa miaina tanteraka ny rivodoza ny mponina any an-toerana na mbola any an-dranomasina aza ny foibeny.

Mitombo hery hatrany ity rivodoza ity ka sokajiana ho rivodoza mahery vaika. Vokatr’izany, mbola hihamafy ny rivotra entiny.

Anio hariva anefa vao tena hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’i Mitsinjo sy i Soalala ao amin’ny faritra Boeny ny foiben’ny rivodoza, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.

Mihatra ny filazana loza mitatao, miloko mena ho an’i Mahajanga I-II, Marovoay, Mitsinjo, Soalala ary Besalampy;
Filazana loza manambana, miloko mavo ho an’i Betsiboka, Nosy be, Ambanja, Analalava,
Antsohihy, Boriziny, Mampikony, Ambato boeni, Maintirano, Ambatomainty,Morafenobe, Antsalova, Miandrivazo;
Filazana loza fanairana, miloko maitso, ho an’i Bongolava, Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana,Befandriana Nord, Mandritsara, Belo Tsiribihina, Morondava, Mahabo, Manja.

Entanina, araka izany, ny mponina hanaraka tsara ny toromarika omen’ny manampahefana eny ifotony.

Manomana tahirin-tsakafo…

Entanina tsy hiandriaka intsony ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra manontolo satria hihamafy ny fitsoky ny rivotra.

Ho an’ireo nahazo filazana miloko mavo na loza manambana, tokony hakarina an-tanety ny lakana sy ny baka. Manomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsivitsy. Manangona vatoaratra sy labozia ary jiro fanao am-paosy. Afindra amin’ny toerana azo antoka ny biby fiompy (akoho, gisa, saka, alika…). Manara-maso ny zaza sy ny tanora…Vokisana ny vatoaratra. Mifampilaza ny isan-tokantrano amin’ny fandaharam-potoana rehetra. Mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny fonenana (EPP, CEG, lycée, fiangonana). Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny andro ratsy. Mifampizara vaovao, indrindra amin’ireo tsy mahazo izany sy ireo marefo…

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.