Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha fakana an-keriny”: hiakatra fitsarana ry Zandry Kely sy namany

“Tokony hotsaraina sy hosazina, araka ny heloka nataony ireo jiolahy mpaka an-keriny”, hoy ny CFOIM, manoloana ny didim-pitsarana fanamelohana sazy mihatra telo taona an-tranomaizina ny jiolahy raindahiny antsoina hoe Ralala, isan’ireo ikoizana tamin’ny “Raharaha fakana an-keriny” teto an-dRenivohitra. Fantatra izany nandritra ny fotoam-pitsarana ny “Raharaha fakana an-keriny” teny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). Niteraka resabe ity didim-pitsarana nomen’ny mpitsara ity satria maro ireo olona tsy afa-po tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana. Manjaka ny kolikoly avolenta? Anarana diso fantatry ny rehetra ary mirakitra eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika ny anaran’ity jiolahy ity sy ireo mpiara-dia aminy. Marihina fa efa mitentina amina miliara ny vola takalonaina efa azon’ireto tambajotran-jiolahy ireto tany amin’ny fianakavian’ireo nalaina an-keriny. Fantatra fa nahazoan’izy ireo trano tsara tarehy, fiara raitra sady hiaka farany, tany amina hekitara maro, ny vola azon’izy ireo nandritra ireny “Raharaha fakana an-keriny” ireny. Fantatra fa hiakatra fitsarana anio eny anivon’ny Pac noho izay raharaha fakana an-keriny izay ihany koa ny andian-jiolahy malaza ratsy amin’ity raharaha ity toa an-dry Ra Fy, i Bazoly, i Lex, i Zandry Kely, i Christophe ary i Fanja. Nohamafisin’ny eo anivon’ny fikambanamben’ireo teratany karana mizaka zom-pirenena frantsay monina eto Madagasikara (CFOIM) fa maizina ho azy ireo ny taona 2018 momba ity resaka fakana an-keriny ity. Efa somary nangina izany fakana an-keriny izany tamin’ity taona 2019 ity. Hatraiza anefa ny hiafaran’ity raharaha ity? Matoky tanteraka ny fahendren’ny fitsarana malagasy ny eo anivon’ny CFOIM, araka ny nambaran’izy ireo. Maro amin’ireo voarohirohy rahateo no mbola miriaria eny anivon’ny fiarahamonina eny, raha ny voalazan’izy ireo.

J.C

 

Les commentaires sont fermées.