Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana, olana sosialy, grevy: miatrana manoloana ireo hetsika mety hiseho ny Emmo/Reg

Voka-pifidianana, olana sosialy, grevy: miatrana manoloana ireo hetsika mety hiseho ny Emmo/Reg

Tazana teny Faravohitra ireo mpitandro filaminana, ahitana ny  eo anivon’ny  Emmo/Reg,  omaly. Nitondra fanazavana manoloana  izany ny tompon’andraikitra.

Fepetra efa noraisina sy efa mahazatra sady fomba fanao ny fanetsehana mpitandro filaminana tahaka izao. Anisan’izany ny niatrehana ny fifidianana farany  teo. Tsy nisy nahatsikaritra izany ny rehetra  fa asa andavanandro izao”, hoy lehiben’ny CIRGN Analamanga, ny Jly Rakotondrazaka Andry,  omaly.  Manoloana ireo hetsika na fitakiana sosialy samihafa mety hiseho,  nambarany  fa malalaka amin’izany ny  rehetra. Na izany aza,  nametraka  fepetra ny mpitandro filaminana. “Miditra an-tsehatra avy hatrany izahay raha misy ny mampiahiahy… Hitohy hatrany amin’ny fiandohan’ny  taona ny hetsika  fametrahana  fandriampahalamena tahaka izao”, hoy ihany izy.

Anisan’ny hanamarika  izao faran’ny herinandro izao ilay antso avo sy fanentanana  vahoaka any anaty tambajotran-tserasera any  ny amin’ny tokony  hanaovan’ny isan-tokantrano fivoahana manamorona ny arabe hitondra vilany, “bidons jaunes”, ny sora-baventy hanehoana tsy fahafaliana manoloana ny sondro-bidim-piainana  sy ny olana sosialy samihafa.

Seces, Tim, mpirakidraharaha…

Ankoatra izany, mbola ao anatin’ny fitokonana ny  mpirakidraharaha fitsarana, mialoha izao hamoahana  ny voka-pifidianana izao. Ao anatin’izany rehetra izany ny hetsika fitokonana tanterahin’ny Seces Antananarivo,  tsy mbola nahitam-bahaolana.

Etsy an-daniny, mifamindran-dalana amin’izany rehetra izany koa ny  hamoahan’ny Ceni voka-pifidianana, ny alatsinainy izao. Maromaro  ireo  tsikera  na fanakianana ataon’ny mpanohitra iny  fifidianana  iny sy ny vokatra ary koa ny lisi-pifidianana. Manampy ireo,  hifamotoana etsy Bel Air ny avy amin’ny Tim  sy ireo mpomba azy hivory…  Tombanana fa mety haka fanapahan-kevitra.

Araka izany, tsy mandeha ho azy na efa fahazarana fotsiny izao fepetra raisin’ny eo anivon’ny Emmo/Reg izao.  Ho  tonga hatraiza avokoa anefa izany  rehetra izany ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.