Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jery taratra… herinandro: mila fitoniana am-piandrasana…

Nilaza ny Ceni fa hanokatra fanadihadiana ny fisian’ny lisi-pifidianana feno tamin’ny fifidianana kaominaly eny an-tanan’ny olon-tsotra na kandidà. Tsy ara-dalàna izany, satria misy ny mombamomba manokan’ny mpifidy tsirairay avy. Eny anivon’ny Fitsarana mahefa ny fangatahana fanaovana fampitahana lisi-pifidianana.

Zara raha mandray andraikitra amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily, araka ny fanazavan’ny Ceni. Zara fa misy 10% amin’ny fokontany 20 000 izany. Nefa izy ireo no tena mitabataba amin’ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana, rehefa mikatona ny 15 mey izany.

Nilaza ny CFM fa tsy tokony hiteraka lonilony ny voka-pifidianana kaominaly, ary misoroka   izay tsy hisian’izany. Mandalo ny fifidianana fa ny fihavanana no mitoetra. Manao ny fivoriana ara-potoana fahefatra farany ny CFM, mandinika ireo fangatahana fanarenana sy fanonerana noho ny krizy politika (2002-2009).

Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 9 hatramin’ny 11 desambra ho avy izao ny fihaonambem-pirenena fanangon-kevitra: “Dinika Nosy malagasy-Ampitao ny hevitrao”. Miainga amin’ny hevitry ny rehetra ny ho fehinteny sy drafitra ary paika hiatrehana ny fihaonan’ny vaomiera frantsay sy malagasy momba ireo Nosy malagasy.

Nisy ny fampihaonana ireo talem-paritra eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nodinihina tamin’izany izay hampiakarana ny lentam-pampianarana sy ny fomba fiasa. Ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly. Hojerena amin’ny taona manaraka ny fandaharanasa momba ny drafi-pampianarana (PSE).

Amin’izany rehetra izany, hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha? Eo am-piandrasana izao… Na ny vokatry ny fifidianana kaominaly, ohatra, na ny fihaonambem-pirenena momba ny fitakiana ny hamerenan’ny fanjakana frantsay ireo Nosy malagasy. Mila fitoniana sy fahamatorana handehanana amin’ny fampandrosoana.

R.Nd.

 

Les commentaires sont fermées.