Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny alalan’ny “Cellule de Promotion Volontariat (CPV) » amin’ny asa an-tsitrapo rehetra nataony ny Croix-Rouge Malagasy, omaly teny Antaninarenina. Izany dia entina ankaherezana, indrindra ireo tanora hanohy sy hanefa  ny asa an-tsitrapo ho an’ny fiarahamonina sy ny mpiara-belona.

Asa avy hatrany no nataon’ny kandida Randrianarisoa Penjy teny Ivato, tamin’ity herinandro ity na tsy mbola nivoaka tamin’ny fomba ofisialy aza ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna. Nanadio ny tanàna izy sy ireo mpiara-dia aminy. Nanarina ny zaridaina manaraka ny sisin’arabe ihany koa izay potika nandritra ny famindrana ireo mpivarotra teo aloha.

Les commentaires sont fermées.