Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handisport – Basikety: nanao pao-droa nanoloana ny Kaomoro ny malagasy

Nitohy, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny amboaran’ny Klioba tompondakan’ny ranomasimbe Indiana ho an’ny olona manana fahasembanana (CCCHOI). Mbola ny taranja basikety ambony seza misy kodiarana hatrany no nifaninana nandritra izany. Fandresena roa no azon’i Madagasikara nanoloana an’i Kaomoro, tamin’ny alalan’ny Cosahp Analamanga sy ny Fanantenana Toliara. Raha hiverenana izay valin-dalao izay, isa mavesatra avokoa no nivoahantsika ho mpandresy, ho an’ny Cosahp, isa 61 no ho 30 no nandreseny ny ekipan’ny Kaomoro, raha toa ka isa 91 no ho 30 kosa no nahazoan’ny Fanantenana Toliara ny fandresena, nanoloana ny ekipan’ny Kaomoro hatrany.

Valin-dalao hafa kosa, tratran’ny tsy nampoizina ry zareo Reonioney, omaly, satria nifanohitra tamin’ny alarobia lasa teo ny vokatra azony.Tsy afa-bela nanoloana ny Maorisina ny Reonioney, raha toa ka nanjakazaka tamin’ny lalao farany nataony, isa 61 no ho 37 no nandavoan’i Maorisy azy.

 

Mi.Raz

Valin-dalao omaly:

Cosahp Analamanga 61 – 30 Kaomoro

La Réunion 37 – 61 Maorisy

Fanantenana Toliara 91 – 30 Kaomoro

Les commentaires sont fermées.