Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Manatanteraka kongresy etsy amin’ny foiben-toerany etsy Andravoahangy ny AKFM.   Anisan’ny dinihin’izy ireo amin’izany  ny fiainam-pirenena ankapobeny. Eo ohatra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina,  farany  teo. Ny momba ireo Nosy malagasy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Fa eo  koa  ny lafiny sosialy sy ny fiainam-bahoaka. Andrasana ny fehinkevitra hivoaka amin’izany.

Miantso ny  rehetra mba handray anjara amin’ny « Dinika Nosy malagasy” ny minisitry ny Fiarovam-pirenena,  ny Jly Rakotoniriana Richard. Hotanterahina manomboka  ny alatsinainy izao hatramin’ny alarobia eny amin’ny CCI Ivato izany fihaonambem-pirenena izany. Hatolotra ny filoham-pirenena amin’ny fotoam-pamaranana  ireo hevi-dehibe sy ny fehinkevitry ny dinika, ahafahana  miatrika  ny fifampiresahana amin’ny Frantsay.

Les commentaires sont fermées.