Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – “Open de Madagascar”: hiditra amin’ny manasa-dalana, rahampitso

 

Nifarana omaly ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny “Open de Madagascar” ho an’ny latsaky ny 23 taona, taranja Volley-ball. Fantatra araka izany ireo hihaona amin’ny manasa-dalana. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hifandona ny VBCD sy ny Squad, izay lalao antenain’ny maro fa hiady. Tombanana ho manan-tombo eto ny Volley-Ball Club Diamant, saingy inoana fa tsy hanaiky ho resy mora foana ny Squad, izay manana mpilalao tsara sy afaka manohitra ireto mpifanandrina aminy ireto. Eo amin’ny lalao manasa-dalana ilany, hifanazava ny Asi sy ny EVBI. Raha ara-taratasy ihany koa, tombanana ho sangany amin’ity fihaonana ity ry zareo avy etsy Itaosy, tombony ho azy ireto rahateo ny efa fahaiza-miaraka hatrany amin’ny sokajy ambany ka efa tena feno fahamatorana tsara amin’izao. Na eo aza izany, tsy azo hamaivanina ny ekipan’Ihorombe, mampiavaka ity klioban’i Danny ity ny fahaizany mitaiza sy mampianatra ireo sokajy zandriny.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.