Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy misy mihaino e… ! 

Tsy misy mihaino e… ! 

Tsy mihatra, na tsy iainan’ny hafa tokoa angamba ka dia toa ohatran’ny hoe mandeha ho azy, tsy misy na inona na inona. Ny fijalian’ny mponin’Itaosy sy ny manodidina amin’ny tsy fisian’ny rano no tiana ambara. « Fahirano Itaosy », « Mijaly rano Itaosy », « Vonjeo, vonjeo… ! ». Ao anaty tambajotra sosialy, « facebook » sisa manovokovoka, midradradradra, mimenomenona, mampiseho ny fahatofohana sy fahakiviana tanteraka… « Misy mihaino ? », araka ny fitenin-jatovo ve ? Asa loatra re…

Ambohidrapeto, Andranonahoatra, Andramahavola, Cité des Assureurs, Ambanilalana, Ambaniala, Bemasoandro, Manjakatompo,… Itaosy e ! Tsy misy izay tsy handrenesana fitarainana. Misy no efa amam-bolana, tapa-bolana,… tsy nisy rano. Na eny amin’ireny paompy iombonana ireny izany, indrindra moa ny any an-tokantrano. Fatiantoka iray lavaka, reraka fotsiny amin’ny fiaretan-tory, fa tsy misy na indray mitete aza.

Tapa-bolana teo ho eo izay, nolazain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Jirama fa “afaka roa andro dia hisitraka famatsian-drano madio fisotro” ny mponin’Itaosy. Izao, inona no eo ? Resaka no betsaka, fampandriana adrisa, famahanan-dalitra fotsiny. Hatramin’izao, tsy hita ihany izay vokatry ny fanamboarana ireo hoe “forazy”  na lava-drano. Mbola tsy mipaka any an-tsinibe ny rano.

Asa, hatramin’ny rahoviana izao fahirano sy fijalian’ny vahoaka izao ? Ny hita aloha, efa manomboka miha-miakatra manaraka ny hafanana migaingaina ny hasosorana sy ny hatezerana. Efa tonga amin’ny hoe “Tairo amin’izay fa “trop” loatra ity” ny resaka. Aleo tsy tohizana fa sao hisy handika hoe mitarika olona hirotaka, hikomy eto. Toy ny sakoroka be any amin’ny faritra maro any Frantsa, omaly. Ireny izao no vokany rehefa leo, tofoka, boboka ny vahoaka…! Tsy misy mihaino e !

Mamy Randrian

 

Les commentaires sont fermées.