Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fandriam-pahalemana: mirongatra ny halatra taova sy fanapahan-doha

Tsy fandriam-pahalemana: mirongatra ny halatra taova sy fanapahan-doha

 

Mihoron-koditra ny vahoakan’Ankazoabo, amin’izao fotoana  izao. Olona telo indray tapa-doha ary noloarana voamaso, tamin’ity herinandro ity. Raiki-tahotra tanteraka ny mponina any an-toerana.

Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny distrikan’Ankazoabo. Nisesisesy ny vono olona miharo halatra taova sy vaky fasana. Vokany, olona miisa telo, vehivavy iray sy lehilahy roa indray maty tapa-doha avokoa, tamin’ity herinandro ity. Nambaran’ny loharanom-baovao fa maty nisy  namono  ny tovolahy iray tokony ho 18 taona. Noloaran’ireo mpanao ratsy ny voamasony roa. Lehilahy iray hafa koa maty, nisy namono tao Ampandramitsetaky ary tapa-doha. Tahaka izany koa ny lehilahy iray maty  tao Morahariva, kaominina Berenty. Nampihoron-koditra ny mponina tanteraka. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa nanomboka tamin’ny vaky fasana ny raharaha ary very tamin’izany ny karan-doha maro. Mitranga indray anefa ity ny halatra taova sy fanapahan-doha.

Noraisina ny fepetra

Manoloana izany, nanapa-kevitra ny lehiben’ny distrika sy ny eo anivon’ny OMC fa hapetraka ny bokim-bahiny. Tsy maintsy tombohana eny amin’ny fokontany ny pasipaoro rehetra. Tsy azo atao ihany koa ny mitondra zava-maranitra toy ny antsy sy famaky eny an-dalana. Savaina ny fiara mivezivezy eny an-toerana, indrindra ireo  miditra sy mivoaka an’Ankazoabo. Tahaka izany koa ny moto.

Etsy andaniny, nanapa-kevitra ireo ray aman-drenin’ny mpianatra fa haterina sy alaina avokoa ireo mpianatra. Tsikaritra fa betsaka ireo moto mifamevivezy ao an-toerana ary tsy fantatra avokoa ny niaviany. Manao antso avo amin’ireo manam-pahefana, ny mponina ao Ankazoabo manoloana ny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana. Manentana ny mponina koa ireo tompon’andrikitra mba ho tony manoloana ny zava-misy.

H.H

Les commentaires sont fermées.