Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Orchestre orphelinat Saint Paul: 19 mianadahy hanafana ny « Noël 2019 »  

Orchestre orphelinat Saint Paul: 19 mianadahy hanafana ny « Noël 2019 »   

 

Mikatsaka hatrany sy manao ho zava-dehibe ny fanabeazana ny zaza amin’ny lafiny feno ny Orphelinat Saint Paul  eto Madagasikara. Anisan’izany ny tontolon’ny kolontsaina, indrindra fa ny mozika. Hanamafy izany ny seho « Noël 2019 ».

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy, hanatanteraka kaonseritra mozika klasika nampitondraina ny lohateny « Noël 2019 » ny Orchestre orphelinat Saint Paul, Ambohipeno Ambohimanambola. Seho hotanterahina ao amin’ny Katedraly Anglikana Saint Laurent Ambohimanoro, ny asabotsy 14 desambra izao manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro. 19 mianadahy izy ireo no handray anjara amin’izany. Ankizy tinaizan’ny Orphelinat Saint Paul nanomboka ny taona 2011, mianatra any amin’ny EPP Ambohipeno sy any amin’ny CEG, Lycée Ambohimanambola ary any amin’ny Oniversite.

Sanganasa malaza noforonin’ireo andrarezin’ny mozika klasika toa an’i Mozart, i J.S bach, i Pachelbel, sns, no hotendrena sy hohirain’izy ireo amin’izany. Ao ny hiran’ny Noely, ny hira fiderana, sns. Hizara roa ny fandaharam-potoana. Fizarana voalohany, hisy seho (hira sy feonkira) mahatratra 10, raha enina kosa ny fizarana faharoa. Anisan’ny hampiavaka ny kaonseritra « Noël 2019 » ny hitendren’izy ireo (miainga hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany) ny « Concerto grosso de Noël N°8 Op 6 » an’i Arcangelo Corelli.

Hitendry ny « violon » voalohany, i Sandrah, i Natacha, i Fiononana ary i Christian. Violon faharoa ahitana an’i Sandrio, i Ando, i Larissa, i Avoko, i Manda ary i Koloina. Ny handidy ny violon fahatelo, i Joseph sy i Hery. Eo amin’ny « alto » i Simon. Hitendry ny violoncelle i Sarah ary ny contrebasse i Felicien. Handray anjara mavitrika amin’ity « Noël 2019 » ity ihany koa ny sampana « Eveil musical » ao anatin’ny Otchestre Orphelinat Saint Paul izay ahitana an’i Jean, i Sylvain, i Philbert ary i Patrick.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.