Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Ny tantaram-piainako »: hamintinan’i Henri Ratsimbazafy ny 60 taona an-tsehatra

« Ny tantaram-piainako »: hamintinan’i Henri Ratsimbazafy ny 60 taona an-tsehatra


Eny, efa 60 taona niakarana an-tsehatra izy. Eny, anisan’ireo mpanakanto zokiny, kanefa mbola mahafehy tsara ny sehatra, mahavita fampisehoana ary be mpankafy hatrany i Henri Ratsimbazafy. « Raha mbola mahavita aho dia hihira hatrany », hoy hatrany ny filazan’ity andrarezin’ny zavakanto malagasy ity. Ho fanohizany izany, hisy ny seho an-tsehatra miavaka, izay hotontosain’i Henri Ratsimbazafy, ny alahady 8 septambra ho avy izao, etsy amin’ny CCI Ivato.
« Ny tantaram-piainako » ny lohatenin’ny fampisehoana, satria hitondrany indrindra ny 60 taona an-tsehatra izany. “Hozarain’i Henri Ratsimbazafy amintsika anatin’ny ora telo ireo sanganasany nanamarika izay 60 taona izay”, hoy ry zareo avy ao amin’ny Valiha Event, hisahana ny fikarakarana. Hizara roa ny fampisehoana, ka hisy vahiny nasaina manokana eo anelanelan’izany. Tsy ampy hizaran’i Henri Ratsimbazafy ny sanganasany rehetra akory ny ora telo, ka tsy maintsy hisy ny fisafidianana izay tena handrasan’ny mpankafy mandritra izany.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.