Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Golf – Mada 2019: hiady ny ho tompondaka  ireo klioba enina

Golf – Mada 2019: hiady ny ho tompondaka  ireo klioba enina

 

Hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 21 desambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Golf. Hampiantrano izany  amin’ity ny Azura Foulpointe Golf Club.

Hiady ny ho lohany amin’izany ny Golf du Rova, ny Golf Club Antsirabe, ny Malaza Golf Club, ny Pearl international golf course Nosy Be, ny Foulpointe Golf club ary ny Galaxy Golf club, sambany vao handray anjara,

Sokajy enina no hifanintsanan’ireo mpilalao, amin’ity. Eo ny an’ireo “Pro”, hanokatra ny fifaninanana, ny 18 desambra. Lavaka 32 no hiadian’izy ireo ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny mahavita kapoka kely indrindra.

Hiditra an-tsehatra manomboka ny 19 desambra kosa ireo sokajy “amateur”,  hifanandrinan’ireo mpilalao lahy sy vavy, ny “super sénior”, ny “sénior” ary ny “junior”. Ny stroke play, ny burt-net ary ny stableford no “formule” hifaninanana mandritra ity fifaninanam-pirenena ity. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasin’ ny golf, Ranaivo Andrianasolo, fa hanana lanja goavana ity fihaonana ity.  “Natao hanomanana ireo fifaninanana iraisam-pirenena hafa  miandry ireo mpilalao malagasy izao. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy, nandritra ny “tournoi international de Madagascar”, natao teto Madagasikara, ny 29 novambra ka hatramin’ny 1 desambra lasa teo”, hoy izy.

Fiarakodia ny loka

Nampiaiky ireo mpilalao kalaza eran-tany ny zava-bitan-dRamarozatovo Jean-Ba, niaro ny voninahi-pirenena, tamin’izany. Mbola hiatrika ny dingana manaraka hatao atsy Maorisy, ny 12 desambra ho avy izao, koa anefa izy.

Etsy andaniny, hisy fiarakodia, loka goavana hatolotra ny mpilalao mahavita kapoka kely indrindra, mandritra ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Tsiahivina fa efa tafiditra ao anatin’ny fanatanjahantena olympika ny taranja Golf.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.