Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina  sy fintina

Voafidy ireo depiote handrafitra ny Fitsarana avo  (HCJ),  natao hitsara ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.  Notanterahina afakomaly teny Tsimbazaza izany.  Ho mpikambana tompon-toerana ny depioten’ Ampanihy  Andrefana,  Idealison sy ny depiote Rivotiana Jean Bosco, voafidy tany Lalangina. Voafidy ho mpikambana mpanampy   kosa ny depioten’i Besalampy, Mamizara Yasmirah sy ny depiote voafidy etsy amin’ny birobirintany II, Rafenomanantsoa Aina  na i Anyah.

Hihaona amin’ireo mpikamban’ny governemanta ireo solombavambahoaka, ny  alakamisy 12  desambra izao. Hotanterahina eny amin’ny  lapan’i  Tsimbazaza   izany ary tafiditra amin’ny  fanaovana tombana ny asa vitan’ny governemantan’ny praiminisitra. Hiarahana mijery amin’izany koa ny momba ireo olana sosialy iainan’ny mponina sy ny vahoaka amin’n y ankapobeny, amin’izao fotoana izao. Tombanana hafampana izany !

Les commentaires sont fermées.