Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Diana, Sava, Sofia: mihatra ny filazana loza miloko maitso

Diana, Sava, Sofia: mihatra ny filazana loza miloko maitso

 

Lasa dépression tropicale ilay rivodoza miforona ao avaratry ny Nosy.
Omaly, tany amin’ny 650 km avaratra somary avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foibeny.
Nahitana fivoarana izy tao anatin’ny 12 ora lasa ka heverina ho lasa Tempête Tropicale Moderée, halina.
55 Km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 75 Km/ora.
Tombanana hitombo hery izy ao anatin’ny telo na efatra andro ho avy. Manambana ny tapany avaratra sy avaratra andrefan’ny Nosy iny, amin’ny faran’ny herinandro na ny fiandohan’ny herinandro manaraka.

Noho izany, mbola mihatra ny filazana miloko maitso ho an’ny faritra Sava, Diana ary Sofia. Manoloana ny fivoaran’ny vinavina kosa dia iangaviana ny mponina amin’ny faritra Boeny sy Melaky mba hiomana ka hampiatra ihany koa ny fepetra mikasika ny loko  maitso.

Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra dia entanina mba tsy hiandriaka intsony, manomboka anio tolak’andro fa hihamafy ny fitsoky ny rivotra.

Efa miomana ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ireo rantsa-mangaikan’ny Croix-Rouge Malagasy any amin’ireo faritra telo amin’ny fiatrehana ny loza. Apetraka ireo paika enti-miatrika ny loza ary koa ny fampahafantarana ireo fokontany any an-toerana.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.