Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetr’andro: mihaodihaody ireo rivodoza roa

Toetr’andro: mihaodihaody ireo rivodoza roa

Ahitana faritra andro ratsy, heverina hivadika ho rivodoza, any amin’ny 700 km avaratra somary avaratra atsinanan’Antsiranana . Mikisaka miadana mianandrefana izy, mahafaka 6 km isan’ora ny fikisahany.

46 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 55 km/ora izany. Hitombo hery izy ato anatin’ny 48 ora ho avy ary manambana ny tapany avaratry ny Nosy iny amin’ny faran’ny herinandro. Hitondra ny anarana Ambali ity rivodoza ity rehefa mhafeno ny fepetra, afaka andro vitsy eo.

Noho izany, iangaviana sahady ny mponina amin’ireto faritra ireto hiomana ka hampihatra ny fepetra mikasika ny loko maitso: i Sava, i Diana ary i Sofia.

Entanina ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka avaratra mba tsy hiandriaka lavitry ny morontsiraka, manomboka anio, fa hihamafy ny fitsoky ny rivotra.

Misy rivodoza hafa miforona ihany koa ao amin’ny ranomasimbe Indianina. Any amin’ny 1 877 km avaratra atsinanan’i Vohemar no misy ny foibeny. Tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany.

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra isika amin’izao fotoana izao ka tokony hiomana amin’izany ny rehetra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.