Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Niharan’ny herisetra: nizarana kilalao ireo ankizy 22

Niharan’ny herisetra: nizarana kilalao ireo ankizy 22

Toy ny fanaony isan-taona, manokana fotoana hiarahana mifaly sy mankalaza ny fetin’ny Krismasy miaraka amin’ny ankizy ny filohan’ny fikambanana Fitia, Rajolelina Mialy, rehefa tonga ny volana desambra. Tamin’ny ity taona ity, teny amin’ny “Centre spécialisé” Mahamasina no nifampizarana amin’ny ireo ankizy iharan’ny herisetra izany fankalazana izany. Mahatsapa ireo ray aman-dreny manana zanaka niharan’ny herisetra fa tsy irery fa misy mitsinjo. Niova ho lasa toerana filalaovana sy nifampizarara hafaliana indray ny Ivontoerana manokana eny Mahamasina raha fandraisana fitarainana sy fitorohana herisetra ny tena antom-pisiany. Eo anelanelan’ny dimy volana sy tapany hatramin’ny 17 taona ireo niharan’ny herisetra amin’ny andavanandrom-piainany. Zava-dehibe ho an’ireo ankizy ny fahatsiarovana tsara napetraky ny fiarahana tamin’ny vadin’ny filoha, ny talata lasa teo.

Nankasitraka ny filohan’ny Fikambanana Fitia izy ireo fa hatramin’izay nijoroany amin’ny maha masoivoho azy momba ny ady amin’ny herisetra izay, mahatsapa ho misy mihaino. Samy manana ny trangana herisetra mianjady aminy avokoa izy 22 mianadahy ireto. Ao ireo ankizy tratry ny aretim-po noho ny fahitana ny vono sy ny herisetra mianjady amin’ny reniny, misy ireo ankizy mihitsy no niharan’ny herisetra ara-batana na ara-tsaina mivantana. Misy ireo zaza teraka noho ny fanolanana. Ho marika ny fifampizarana, notolorana kilalao izy 22 mianadahy ho fahatsiarovana sy fisitrahana ny zo amin’ny maha ankizy ao anatin’ny fanomanana ny Krismasy.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.