Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mikatona ny fotoam-panjonoana: mety ho tafakatra 40 000 Ar ny kilaon’ny makamba

Mikatona ny fotoam-panjonoana: mety ho tafakatra 40 000 Ar ny kilaon’ny makamba

Anisan’ny hazandrano lafo vidy ny makamba. Mety ho tafakatra hatrany amin’ny 50 000 Ar ny kilao amin’izao fikatonan’ny fotoam-panjonoana izao, sady ao anatin’ny vanim-potoana fety mahabetsaka ny mpanjifa rahateo.

Toy ny isan-taona! Nikatona nanomboka ny 1 desambra teo ary haharitra telo volana ny fotoam-panjonoana ny makamba. Tsy maintsy raisina ny fepetra famerana ny fotoam-panjonoana ny karazana hazandrano hahafahany manatody sy mitombo taranaka.

Misy fiantraikany any amin’ny vidiny ho an’ny mpanjifa ny fotoana fikatonan’ny jono. Ho an’ny eto Antananarivo, manodidina ny 25 000 Ar hatramin’ny 30 000 Ar ny kilaon’ny makamba  mahazatra, ary mihoatra ny 30 000 Ar ny tsy misy lohany. Nilaza Rtoa Nathalie, mpivarotra hazandrano eny Anjanahary, fa mety ho tafakatra 40 000 hatramin’ny 50 000 Ar ny kilaon’ny makamba tsy misy lohany amin’izao fikatonan’ny fotoam-panjonoana izao. Tsotra ny antony, mihena ny tahirin’ny mpivarotra, sady hiditra amin’ny vanim-potoana fety rahateo ka mitombo ny filàna.

Sakafo raitra

Sokajina ho sakafo raitra ny makamba ka tsy mahagaga raha lafo vidy. Maro ny orinasa eto an-toerana, miompy azy, sady manjono koa. Manodidina ny 7 000 t hatramin’ny 98 000 t isan-taona ny makamba eto Madagasikara. Aondrana any ivelany ny ankamaroany, ary misy ny manana mari-pamantarana manaraka ny fenitra iraisam-pirenena satria anisan’ny tsara kalitao ny makamba aty Madagasikara. Maro koa ny sambo vahiny manjono aty amin’ny fari-dranomasina Madagasikara, toy ny eoropeanina, ao anatin’ny Vondrona eoropeanina (UE), ny japoney, ny sinoa, sns. Ankoatra ny makamba, anisan’ny hazandrano jonoin’izy ireo koa ny lamatra (thon), ny vombon’antsantsa,…

Maro koa ireo manjono tsy ara-dalàna, indrindra ny avy any Azia.

Njaka Andriantefiarinesy

Les commentaires sont fermées.