Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voka-pifidianana –  Antananarivo Renivohitra: mifampitana tanteraka ny mpanolotsaina IRK sy Tim

Voka-pifidianana –  Antananarivo Renivohitra: mifampitana tanteraka ny mpanolotsaina IRK sy Tim

Mety hitovy ny isan’ny mpanolotsaina  handrafitra ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo, avy amin’ny IRK sy ny Tim.  Tsy mifanalavitra ny elanelana eo amin’ny vato azon’ny roa tonta raha ny fironanana vonjimaika,  amin’ny voka-pifidianana, navoakan’ny Ceni, omaly tolakandro. Mitarika aloha izany ny kandidà mpanolotsaina avy amin’ny IRK, miaraka amin-dRaharinirina Clemence.   Nibata  ny  45,58%  ny lisitra tarihiny raha nahazo ny 45,05% kosa ny avy amin’ny kandidàn’ny Tim, tarihin-dRandrianary Roberto. Samy hanana  ny maro anisa amin’ireo mpanolotsaina miisa 56 mandrafitra ny filankevitry ny kaominina  Antananarivo renivohitra izany ireto antoko roa ireto.

Hanana mpanolotsaina Ralambomahay Toavina… 

Manaraka akaiky azy ireo ary mety hahatafiditra  mpanolotsaina ny avy amin’ny tsy miankina, Ralambomahay Toavina.  Nahazo ny salanisa 5,44% ny lisitra tarihiny. Any amin’ny  laharana fahefatra ny mpanolotsaina, tarihin-dRavololomanana Lalatiana. Nibata ny  isam-bato 2,65% ary nahazo ny 1,57%  ny kandidà tsy miankina, Randrianantoandro Tina Laurence. Manodidina ny 23%  kosa  ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy.

Tsiahivina fa tokony ho feno tanteraka farafahatarany, anio maraina ny voka-pifidianana  amin’ny fifidianana mpanolotsaina eto  Antananarivo Renivohitra.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique