Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Tagnamaro »: nanavotra ny IIIG Hangar

« Tagnamaro »: nanavotra ny IIIG Hangar

Nisavovona toy ny havoana… Tsy fomba fiteny fotsiny fa tena izay no zava-nisy, raha ny fako teny amin’ny fokontany IIIG Hangar Antohomadinika, volana vitsivitsy lasa izay. Noho ny fahitana ny fahombiazan’ny « Tagnamaro », nangataka tamin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny Serasera ny mponina teny an-toerana hanatanterahana izany. Natao izany ny volana oktobra lasa teo. Tsy vita indray andro, na dia niara-nifarimbona tamin’izany aza ireo mpiasan’ny minisitera, ireo mponina nampian’ireo nanolo-tanana rehetra.
Tsy kivy anefa fa notontosaina hatramin’ny farany, nadio tanteraka ihany ny toerana. Avotra tamin’ny fako niorim-paka toa havoana ny fokontany ka nahafaly ny mponina izany. Tsy vitan’izay fa nohajariana nasiana zava-maitso ny toerana, izay nambolen’ireo solontenam-pokonolona sy ny avy amin’ireo orinasa manodidina. Nidina teny an-toerana nijery ny fivoaran’ny asa natao ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Andriatongarivo Lalatiana, narahin’ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo. Nampitaina tamin’ny mponina ny tokony handraisan’izy ireo andraikitra hikolo ny sehatra maitso namboarina, sy hiaro izany amin’ireo mpandoto efa za-dratsy. Fantatra mantsy fa misy fiarabe sy sarety mbola mangalatra manary fako eny, amin’ny alina. Avy any amin’ny fokontany hafa toa an’i Tsaralalana, 67ha, Ambohimanarina, sns, izy ireo.

Zo ny Aina

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique