Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« ‘Ndao handihy gasy »: tafatsangana ny vovonan’ny mpanao vakodrazana

« ‘Ndao handihy gasy »: tafatsangana ny vovonan’ny mpanao vakodrazana

Anisan’ny fomba hoenti-mampandroso ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny fiaraha-mientana. Manamafy izany ny fitsanganan’ny  Vovonan’ny mpanao vakodrazana malagasy . Homarihina amina hetsika nampitondraina ny lohateny « ‘Ndao handihy gasy » ny fitsanganan’izany vovonana izany ara-panjakana, ny 6 desambra sy ny 7 desambra ary ny 8 desambra ho avy izao, ao amin’ny Ivokolo Cemdlac Analakely.

Ny 6 desambra, aorian’ny fanokafana ny fampirantiana ahitana ny mombamomba ireo tarika mivondrona ao anatin’ny vovonana, hisy ny filatroana hanehoana ireo taovolo sy fomba fitafy nentin-drazana manerana ny faritany enina. Dimbiasan’ny fampisehoana hira sy dihy vakodrazana hotanterahin’ireo tarika mpikambana ao anatin’ny vovonana izany avy eo. Ny 7 desambra sy ny 8 desambra, tontolo andro, mitohy hatrany ny fampirantiana. Eo ihany koa ny hira sy ny dihy ary ny filatroana maneho ireo vakodrazana mampiavaka ny faritany enina.

Fantatra fa tarika mpanao vakodrazana mahatratra 15 no mivondrona ao anatin’ny  Vovonan’ny mpanao vakodrazana malagasy . Mpiantsehatra 20 eo ho eo ny mpikambana ao amin’ny tarika iray. Anisan’ny tanjona amin’ny fivondronana anaty vovonana tahaka izao ny hananan’ny vakodrazana malagasy tanjaka bebe kokoa, indrindra eo amin’ny tontolo ivelarany. Marihina fa anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara manoloana ny firenen-kafa ny fananany ireo vakodrazana mampiavaka ny faritra tsirairay.

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique