Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manan-jo arovana: 3 isan-taona ny mpampivelona voatory

Manan-jo arovana: 3 isan-taona ny mpampivelona voatory

Manodidina ny telo isan-taona eo ho eo ny mpampivelona misy mitory eo am-panatanterahana ny asany, araka ny fanazavan’ny sekretra jeneralin’ny Holafitra nasionalin’ny mpampivelona eto Madagasikara, Raharisoa Marie Bernadette, omaly teny Befelatanana. Tao anatin’ny telo taona farany no nahatsapa izany tranga izany. Raha voasoratra ara-dalàna ao anatin’ny Holafitry ny mpampivelona ny mpampivelona ka misy mitory, manana zo arovan’ny mpisolovava atolotry ny Holafitra izy raha miakatra eny anivon’ny Fitsarana ny raharaha. Hatramin’izay, rehefa mitondra porofo ny mpisolovavan’ny voampanga, afaka madiodio avokoa ireo mpampivelona misy mitory. Tsy miaro ny mpampivelona voasaringotra amin’ny resaka kolikoly kosa ny Holafitra. Mialoha ny handraisana mpikambana vaovao ao amin’ny Holafitra, misy ny fanadihadiana tsy maintsy atao ny mpangataka. Tokony ho voamarina fa nahavita nampiteraka vehivavy 50 no ho mihoatra izy nandritra ny fianarany ary manana ny livret de stage ihany koa tao anatin’izay. Hamarinina tsara ny ivontoerana nianarany sy ny diplaoma azony. Homena ny « carte biométrique » izy avy eo rehefa vita ireo rehetra ireo isorohana ny fisandohana andraikitra ho mpampivelona, indrindra any ambanivohitra lavitra. Miantoka ny ara-moraly amin’ny fanatontosa ny asa maha mpampivelona azy ny Holafitra ary mametraka ny « etika ».

 

11357 ny mpampivelona ao anatin’ny Holafitra

Manerana ny Nosy, 11 357 ny mpampivelona miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy eny amin’ny hopitalim-panjakana voasoratra ao anatin’ny mpikamban’ny Holafitra nasionaly. Misy koa ireo misafidy ny tsy hiditra ho mpikambana. Any Androy no vitsy indrindra ny isan’ny mpampivelona am-perinasa raha bebe koa ireo miasa any Antsiranana sy Mahajanga ary ato anatin’ny faritra Analamanga, hoy ny filoha lefitry ny Holafitry ny mpampivelona, Ralamboson Tatavy Amélie. Mpampivelona iray misahana mponina 5 000 no fenitra napetraky ny Oms raha mbola mikarakara olona 16 000 ny rasazy malagasy, hoy ny tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana, i Duval Solofomalala. Nampahafantarina omaly teny Befeletanana ny tranonkalam-pifandraisan’ny mpampivelona nasiana fanavaozana. Zava-maro no azo trandrahina ao anatiny toy ny fiofanana sy ny vaovao manodidina ny asan’ny mpampivelona. Ao koa no ahitana ireo mpampivelona voasoratra ao amin’ny Holafitra.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique