Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Cosafa U20»: hanainga anio ny Barea

Kitra – «Cosafa U20»: hanainga anio ny Barea

Amin’ity talata ity no hanainga hihazo an’i Zambia ny Barea de Madagascar, sokajy U20, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Cosafa, taranja baolina kitra. Mpilalao 20 mirahalahy ireo hiatrika izany. Araka ny fantatra, miara-bondrona amin’i Afrika Atsimo sy i Maorisy ary i Lesotho i Madagasikara.

Azo atao tsara ny mandresy ireo firenena miaraka amin’i Madagasikara ireo. Raha ny fandaharan-dalao, ny alakamisy 5 desambra no hiaka-tsehatra voalohany ny Barea ka hifanandrina amin’i Lesotho. Ny alahady 8 desambra, ny lalao faharoa hikatrohana amin’i Afrika Atsimo ary ny lalao farany, hifanandrinana amin’i Maorisy, ny talata 10 desambra ho avy izao. Hiatrika ny manasa-dalana ireo ekipa voalohany isan-tsokajy.

Tompondaka

Ireo mpilalao 20 mirahalahy

Mpiandry tsatoby : Balvano (Fosa Jr Boeny) ; Broussaga (Fosa)

Vodilaharana : Elouis (Jet Mada) ; Avizara (Fosa Boeny) ; Nicolas (Fosa Boeny) ; Hasina (Fosa Boeny) ; Dolain (Fosa)

Irakiraka : Aurelien (Fosa Boeny) ; Mamisoa (Fosa) ; Landry (Kintana) ; Houssen (Kintana) ; André (Fosa Jr) ; Veve (Five FC) ; René (Fosa) ; Rino (CFT FC) ; Raicardo (Fosa) ; Daniel (Elgeco Plus) ; Rija (Five FC)

Lohalaharana : Arnaud (CNaPS Sport) ; Tojoniaina (Ajesaia)

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique