Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kaominina Tsinjoarivo: natao vohitry ny fanjarian-tsakafo

Napetraka ho vohitra vaovaon’ ny fanjarian-tsakafo ny kaominina Tsinjoarivo Imanga,  distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, araka ny fanazavan’ny mpandrindra nasionalin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo, dokotera Lucie Solofonirina, omaly teny Anosy. Efa nanomboka ny fametrahana ny paikady iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny kaominina ary misy sahady ny vokatra. Manana dobo fiompiana trondro ny mponina ka ankoatra ny famatsiana ny toeram-pisakafoana any an-dakilasy, afaka nanampy ny ray aman-dreny ara-bola tamin’ny fidiran’ny mpianatra farany teo ny fiompiana trondro. Manana rano fisotro madio ny tanàna. Nosafidina manokana ny kaominina handray ny vohitra fanjarian-tsakafo satria vonona ny mponina handray anjara mavitrika amin’ny asa rehetra atao ary mahasarika vahoaka koa ny mpitantana ao an-toerana. Ho an’ny tondro, manana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahatratra 26% ny kaominina raha 11 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Raha mitohy ny ezaka natomboka, hahazo vokatra tsara izy ireo. Fahadimy eto Madagasikara amin’ny haavon’ny tahan’ny tsy fanjaran-tsakafo mitarazoka ny faritra Bongolava , 51,4% ka tanjon’ny ofisim-pirenena sy ny mpiray ombon’antoka ny hametraka vohitra iray isaky ny faritra ho maodely momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ka laharam-pahamehana ireo faritra marefo amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.

Hapetraka amin’ny fomba ofisialy, ny zoma izao, ny maha vohitra ho an’ny  fanjarian-tsakafo ny kaominina Tsinjoarivo mandritra ny fanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo.

Vonjy A

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique