Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Mampihorohoro ny fizorana amin’ny lalam-pirenena

Izay iray mampitebiteby, amin’ny làlana maro fiara mivezivezy, mitombo arak’izay ny fitrangan’ny loza, any amin’ireo làlana vitsy mpandeha dia arak’izay fahanginginana izay no anararaotan’ny andian-jiolahy anakanana an’izay fiara mandalo ahafahany manendaka ny mpitaingina.

Mbola eo am-panamboarana moa fa na rehefa vita soa aman-tsara ny ankamaron’ny làlana ka tsy misy ny ezaka ho fitandrovana ny fitrangan’ny loza nohon’ny tsy fananan’ny maro toe-tsaina ampy fitandremana ka andaniny mbola manjaka ny asan-jiolahy nohon’ny amaron’ny toerana lavitra andriana, mbola halaindaina avokoa na ny mpitatitra entana na ny taxi-brousse ahafahan’ny mponina mivezivezy, na ny fiara madinika mitondra fianankaviana na mpizahantany, nohon’ny fahavoazana mety hitranga aminy.
Roa tonta arak’izany moa ny fahavalo, andaniny ny ankamaron’ny mpamily izay samy tsy ampy fitandremana ny betsaka, ankilany ireo mpandroba. Raha mikasika ny fanajana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana an-dalambe dia ny fahatahorana ny mpitandro filaminana no antoka voalohany, mazava ho azy fa toy izay koa ny momban’ny fanefitry ny asan-jiolahy.
Angamba tsy ampy ny polisy sy zandary ho an’ny fanatanterahana an’ireo adidy maro iantsorohany ambonin’izany ezaka fisorohana ny fitrangan’ny loza samy hafa any amin’ireo lalam-pirenena mamakivaky ny nosy.
Aika ato an-trano ihany no misy ny fanafody. Asa na firimpolo-taona aty aoriana no nananganana ny tafi-pirenena vao nitsimoka ny hevitra momban’ny fanomezana adidy an’ny tafika hanatevina ny herin’ny zandary sy polisy ho fitandrovana ny filaminana. Samy manana ny andraikiny mazava moa, ny an’ny tafika dia fiarovana ny vahoaka sy ny tanindrazana manoloanan’ny loza sy fahavalo avy any ivelany. Manoloanan’ny loza mananontanona nohon’ny fihetsika sy herisetra mipoitra eto an-toerana dia tsy mahefa ny tafika raha tsy miaraka amin’ny zandary na polisy izay «manam-pahefana ao anatin’ny sehatry ny fitsarana».
Araky ny fanambarana avy amin’ny tompo-pahefana dia ny fametrahana an’izay rafitra izay no tanterahana haingana ankehitriny. Hitombo tampoka tsy ho ela ny isan’ny mpitandro filaminana na am-bohitra na an-tsaha. Ho hita eo ny tena vokatr’izany, raha tsy milamina ny tany ary raha tsy tony arak’izay ny mponina na inona na inona ezaka tsy hisy ny fandrosona.


Léo Raz      

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique