Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handisport – CCCHOI: hifampitady eto Madagasikara ny firenena 4

Handisport – CCCHOI: hifampitady eto Madagasikara ny firenena 4

Hanomboka anio ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 8 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny ranomasombe Indiana ho an’ny olona manana fahasembanana (CCCHOI), andiany faha-19. Handray anjara amin’izany ny firenena efatra, ahitana an’i Kaomoro, La Réunion, i Maorisy ary i Madagasikara. Taranjam-panatanjahantena efatra no hifaninanana, dia ny basikety ambony « fauteuil roulant », tenisy ambony « fauteuil », tsipy kanetibe ary ny boccia. Efa fantatra avokoa moa ny fandaharam-potoana rehetra ho an’ny basikety, tanterahina ny 3-4-5 sy 7-8 desambra ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Hatao mandritra ny tontolo andro etsy amin’ny CBT Mahamasina kosa ny tsipy kanetibe, eny amin’ny kianja mitafo ny ANS Ampefiloha ny hanaovana ny tenisy ary ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ny hanatanterahana ny boccia, amin’ny 8 desambra. Fantatra nandritra ity tafa niarahana tamin’ny mpanao gazety ity fa noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana sy mpanohana, tsy mba afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena ny handisport hatramin’izay. Nohamafisin’ny avy eo anivon’ny federasiona kosa fa misy ny lalao « paralympique » amin’ny 2020, hisy ny fifanintsanana mialoha izany, amin’ny alalan’ny lalao afrikana, tanterahina ny volana marsa 2020. Hisy ny ekipa voafantina malagasy handeha hiatrika io satria vao vita ity CCCHOI ity, hiasa mafy ny federasiona hanomana ny mpilalao hiatrika io lalao afrikana io. Raha aty Afrika, manana ny haavo teknika ambony ny Malagasy, saingy ny tsy fahampian’ny hoenti-manana hatrany no sakana tsy hahafahana mandray anjara.

Ireto avy ny ekipa solontenantsika handray anjara amin’ity CCCHOI ity. Basikety : klioba Fanantenana Atsimo andrefana, Cosap Analamanga. Tenisy : Pshpro Betsiboka sy Cosap Analamanga. Tsipy kanetibe : physique lehilahy : Ascupsa Analamanga sy Vakinakaratra. Vehivavy : Vakinankaratra sy Atsinanana. Sokajy marenina lehilahy : Asa Analamanga. Vehivavy : Apham Atsinanana.

 

Mi.Raz

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique