Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Handball –«Mada sénior 2019»: ekipa 16 hiady izay ho tompondaka

Handball –«Mada sénior 2019»: ekipa 16 hiady izay ho tompondaka

Hamarana ny taom-pilalaovany ny federasiona malagasin’ny handball. Ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy “sénior” lahy sy vavy no hanakatonany izany. Ho fantatra eo izay hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny CCOI 2020.

Hotanterahina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, manomboka ny 9 ka hatramin’ny 15 desambra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja handball, sokajy «sénior» lahy sy vavy. Ekipa 16 ka valo lahy sy valo vavy no hiady izay ho lohany, amin’izany. Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity, satria hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina (CCOI 2020), izay voalohany eo.

Ankoatra izay, eo koa ny fiadiana ny amboara ho an’ny ekipa tompondaka sy ny fiadiana ny amboara ho an’ny ekipa tompon’ny amboara. Tsy mbola fantatra aloha izay firenena hampiantrano izany. Efa nanao fangatahana handray ny CCOI i Madagasikara ary eo am-piandrasana ny valin’izany ny federasiona, ankehitriny.

Tsiahivina fa tsy nandray anjara tamin’ny CCOI 2019 natao tatsy Maorisy, ny 22 ka hatramin’ny 30 novambra lasa teo, ny Malagasy, izay tokony ho natrehin’ny Cosfa sy ny AS St Michel teo amin’ny lehilahy ary ny THBC sy ny AS Tsiky ho an’ny vehivavy. Antony tsy nandehanan’izy ireo ny tsy fahampian’ny hoenti-manana.

Vokatr’izay, miandry ny sazy hahazo azy i Madagasikara. Marihina fa manakatona ny taom-pilalaovana 2019 ho an’ny federasiona malagasin’ny handball, ity fiadiana ny ho tompondakam-pirenena ho an’ny sokajy “senior” ity.

Torcelin

Ireo ekipa 8 vehivavy

1-THBC Analamanga ; 2-HBCA Analamanga ; 3-HCT Tsiroanomandidy ; 4-AS Tsiky Boeny ; 5-Njatovo Matsiatra Ambony ; 6-HBCI Ihorombe ; 7-ACF Atsimo Andrefana ; 8-H3A Atsimo Andrefana

Ireo ekipa 8 lehilahy

1-AS St Michel Analamanga ; 2-Cosfa 1 Analamanga ; 3-Cosfa 2 Analamanga ; 4-St Michel Itaosy Analamanga ; 5-Hasin’i Toamasina ; 6-HBCM Menabe ; 7-Groupe Siteny Handball Atsimo Andrefana ; 8-ASS Atsimo Andrefana

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique