Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihana mitam-piadiana, vaky trano: voaheloka higadra an-terivozona 20 taona i… Eddy

Fanafihana mitam-piadiana, vaky trano: voaheloka higadra an-terivozona 20 taona i… Eddy

Niakatra Fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava ao Toamasina, ny alakamisy teo, ny raharaha fanafihana mitam-piadiana narahina vaky trano tao Mangarivotra Toamasina, ny 7 jona 2019 maraina.

Niharan’ny fanafihana nataona andian-jiolahy miisa dimy (nisaron-tava ny telo lahy) nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny tranon’ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Mone Jean Jarison. Nanapoapoaka basy teo am-baravaran’ilay niharam-boina avy hatrany ny jiolahy roa no sady nanapitsoka ny hidim-baravarana tamin’ny alalan’ny baramina. Vokany, lasan’ireo mpanafika ireo karazan’entana samihafa toy ny telefaonina avo lenta telo, bateria, fahitalavitra miloko, lelavola 6 hetsy Ar, takelaka mitondra herinaratra avy amin’ny hafanan’ny masoandro. Taorian’ny fametraham-pitoriana nataon’ireo niharam-boina, ny volana jona 2019 vao tratran’ny polisin’ny Fip ny jiolahy raindahiny antsoina hoe Andrianjafisoa Edson Charles, 24 taona fantatra amin’ny solon’anarana hoe Eddy,voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ity raharaha ity. Ny 18 jona 2019 izy no natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’izay ary izao nandalo fitsarana, ny alakamisy lasa teo izao.

Niaiky ny heloka vitany manoloana ny fitsarana i Eddy…

Nahitana basy sy bala marobe tao an-tranony  nandritra ny fisavan’ny polisy taorian’ny nahasamborana azy. Mbola hita tao aminy ihany koa ireo karazan’entana halatra azon’izy ireo tao an-tranon’ilay raim-pianakaviana niharan’ny fanafihana. Tsy nandà ny fiampangana azy koa i Eddy, nandritra ny fifandaharana nanoloana ny fitsarana. Nilatsaka ny sazy, fanamelohana 20 taona asa an-terivozona avy amin’ireo mpitsara ho an’i Eddy manoloana ity fanafihana ity, miampy tsy fahafahana mandia faritany. Fa anisan’ireo raharaha ady heloka bevava andrasan’ny rehetra koa amin’izao fotoana izao ny momba ny famonoana ireo telo mianaka tao Analankininina Hopitalibe Toamasina sy tao Depot. Vazaha telo mianaka ireto novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony ireto.

Sajo sy J.C

Les commentaires sont fermées.