Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakafaka: avereno amin’ny laoniny io !

 

… Fa misy inona ? Na inona na inona lazaina etsy sy eroa, lesoka goavana be eto Madagasikara ny tontolon’ny fanabeazana. Tsy ilay fampianarana any an-tsekoly ihany fa ny fanabeazana iray manontolo mihitsy no tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Tsy mandeha amin’ny laoniny satria sady indramina no tefitefena fahatany fotsiny. Miainga any amin’ny ankohonana sy ny fianakaviana, sns, mipaka hatrany amin’ny firenena manontolo, mila ovaina tanteraka ary haverina amin’ny laoniny ny fanabeazana any amin’ireo sehatra tsirairay ireo.

Nanjary menatra  maneho ny maha izy azy ny Malagasy satria sady tsy mahalala izany akory no miezaka mafy maka tahaka ny hafa. Tranga mitarika any amin’ny fahapotehan’ny firenena iray io menatra ny maneho ny maha izy azy io. « Raha izao no mitohy, afaka 50 taona, raha ela indrindra, tsy fantatra intsony ny fisian’izany Malagasy izany », hoy i IP Andriamangatiana, mpampianatra mpikaroka.

Raha eo amin’ny fanabeazana manokana, inona ny antony tsy hitaizana ny zaza hahalala ny momba azy ? Ambara sy ampianarina ary tezaina amin’ny maha Malagasy azy izy. Fa maninona no mbola kely ny zaza no asaina misandoka sahady ? Misandoka ho vazaha (fiteny, fihetsika, fomba fisainana…) ? Aiza ve ka Malagasy ray, Malagasy reny izao ilay zaza ka anaram-bazaha no omena ilay voatavotsimifandraka hoentiny mandra-maty. Ny hevitry ny « anarana » mihitsy izany no tsy hain’ny ray aman-dreny malagasy intsony. Mahamenatra tanteraka !

Avereno amin’ny laoniny io fanabeazana io raha te hahita an’i Madagasikara sy ny Malagasy handroso. Tsy nety sy tsy mety ary tsy hety amin’ny taranaka malagasy mihitsy ny misandoka na ampisandohana ny tsy voajanahary aminy. Andraikitry ny tsirairay ny manao izany fa tsy an’ny fanjakana irery ihany !

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique