Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa tanana : nisy ny atrikasa momba ny fandaharanasa Fihariana

Asa tanana : nisy ny atrikasa momba ny fandaharanasa Fihariana

Ao anatin’ny fanatanterahana ny drafitra fisandratana eo amin’ny sehatry ny toekarena, ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary asa tanana, izay manao ho tanjona ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny fahaiza-manao eo amin’ny asa, misy ny fametrahana ny kolontsain’ny mpandraharaha. Eo koa ny fanatsarana ny fahaiza-manao.

Izay no nanaovana ny atrikasa fanentanana sy tantsoroka ary fanofanana eo amin’ny  Tranoben’ny asa sy ny asatanana ary ny amin’ny fandaharanasa Fihariana, tao amin’ny IKM Antsahavola, ny 29 sy 30 novambra lasa teo, nandraisan’ny mpanao asatanana miisa 90 avy amin’ny faritra.

Tolokevitr’ireo mpanao asa tanana tamin’izany àry ny famatsiam-bola ny foibem-pividianana amin’ny tetikasa Fihariana, ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana ny mpanao asa tanana eo anivon’ny fitantanana ankapoben’ny asatanana. Eo koa ny tokony hikarakarana tsenabe na varotra fampirantiana roa na telo momba ny asa tanana amin’ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara.

Ilaina ny ezaka 

Mila ezaka ny fampitomboana ny isan’ny mpanao asa tanana mpahazo tombontsoa amin’ny fandaharanasa Fihariana, ny fifanakalozana eo amin’ny akora fototra eo amin’ny faritra sy ny mpanao asa tanana eto Madagasikara, ny fanamorana ny fandehanana any ivelany sy ny vokatry ny asa tanana malagasy.

Nisy koa ny fanazavan’ny teknisianina avy amin’ny minisitera ny momba ireo fitaovana hatolotry ny minisitera ho an’ireo mpanao asa tanana amin’ny faritra eto Madagasikara, ohatra, ireo fitaovana hanamora ny asan’ny mpanao asa tanana mandritra ny fotoana fohy, ary ny hampiakatra ny lenta sy ny kalitaon’ny vokatra amin’izany. Namarana  ny atrikasa ny fampahafantarana ny karatra biometrika sy elektronika ho an’ny mpanao asa tanana.

R.Nd.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique