Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley – Open de Madagascar: nandresy avokoa ny Vbcd sy Asi

Volley – Open de Madagascar: nandresy avokoa ny Vbcd sy Asi

Nanomboka omaly ny fiadiana ny Open de Madagascar ho an’ny taranja Volley-ball. Ny sokajy vehivavy moa no nanokatra ny fifaninanana, azo lazaina ho tsara fanombohana avokoa ireo klioba sangany nandritra izany. Tsiahivina, natokana ho an’ny latsaky ny 23 izy ity. Raha ny voka-dalao, nivoaka ho mpandresy, tamin’ny seta 3 no ho 0 ny Vbcd raha nifanandrina tamin’ny ekipan’ny Squad, tetsy an-daniny, tamin’ny seta 3 no ho 1 no nanilihan’ny Asi ny klioban’ny Asca. Isan’ny ratsy fanombohana kosa anefa ny Evbi raha nifandona tamin’ny Asvbm, ireto farany no nivoaka ho mpandresy, tamin’ny seta 3 no ho 0. Hitohy anio etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano moa ny fifaninanana. Toy izao ny voka-dalao omaly, Vehivavy : 03 EVBI – ASVBM 00/ 03VBCD – Squad 00/03 Asi – Asca 01 Lehilahy : 03 Asi2 – Mami 01/03 Mama – VBCD 00/03 AVB – EVBI 00/03 Asi1 – RM5 01.

 

Mi.Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique