Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tonia mpampanoa lalàna: « Mitsara araka ny lalàna… »

Tonia mpampanoa lalàna: « Mitsara araka ny lalàna… »

Nitondra fanazavana amin’ny fanafainganana ny fitsarana ireo voafonja ny tonia mpampanoa lalàna,  Razafimelisoa Odette Balisama.  “Anatiny mihitsy izahay izao, 27 andro taorian’ny nandalovan’ny filoha Rajoelina teny Antanimora…  Nampiana ny andro iasana ary  hatramin’ny asabotsy aza. Mitsara araka lalàna anefa izahay ao anatin’izany”, hoy izy tetsy amin’ny lapan’ny Fitsarana, ambaratonga voalohany Anosy,  ny zoma teo. Niaiky anefa ny tenany fa nitombo ihany koa ireo voaheloka ankoatra ireo nomena sazy mihantona. Manampy izany ary anisan’ny olana ny tsy fiverenan’ireo tokony harahin’ny Fitsarana maso.  “Tena vitsy izy  ireo… Mety miteraka fampidirana am-ponja vonjimaika izany… Misy koa anefa ireo nomena fahafahana fa nametrahana fepetra … ”, hoy ihany izy. Ankoatra izany, nanteriny fa tratra ny fe-potoana hitsarana  ireo voafonja ireo,  hatramin’ny 13 desambra izao.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique