Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toetry ny andro: mbola arahi-maso ilay tangoron-drahona

Hatramin’ny omaly hariva, tsy mbola nivadika ho rivodoza aloha ilay tangoron-drahona miparitaka any amin’ny ranomasina indianina, araka ny fanazavan’ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro. Ao anatin’ny telo andro hoavy no hahafantarana izany. Mahazo hery ny alizay ka mitondra ny andro maina aty amin’ny afovoan-tany ho an’ny telo andro manaraka. Hahazo orana kosa ny amin’ny tapany avaratra : Sava, Sodia, Diana, Analanjirovo, Alaotra Mangoro ho an’ny telo andro raha ny tomban’ny sampana eny Ampandrianomby.

Ho an’ny maripana eto afovoan-tany, hitohy ny hafanana manodidina ny 17°C ny farany ambany ary 27°C kosa ny mafana indrindra. Mila mivonona amin’ny akanjo maivana sy ny satroka ary ny rano ny rehetra, indrindra ireo marefo ara-pahasalamana.

Vonjy        

Les commentaires sont fermées.