Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Seho an-tsehatra: nahavory tanora maro ny tarika ‘Zay

Seho an-tsehatra: nahavory tanora maro ny tarika ‘Zay

Tarika mbola tena manana ny maha izy azy ! Raha ny taona niorenany, mbola ao anatin’ny heriny tsara mihitsy ihany koa. Nanakoako indray ny seho nataon’ny tarika ‘Zay…

Rakotra mpijery ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, omaly, nandritra ilay seho notontosain’ny tarika ‘Zay hoentin’izy ireo manamarika ny faha-23 taony. Saika tanora avokoa ny ankamaroan’ny mpijery tonga teny an-toerana. Tanora tia hira somary milamindamina sy tononkira milazalaza ny tsiron’ny fitiavana. Ireo hira anisan’ny nahafantarana ity tarika ity tao anatin’izay fotoana niorenany izay rahateo no nomen’i Nary sy i Malala vahana bebe kokoa.

Anisan’ny nanamarika ity fampisehoana ity ihany koa ny nisian’ny ampaham-potoana nentina nahatsiaro an’i Dadah sy i Fafah (tarika Mahaleo). Hira roa anisan’ny andrenesana ny feomangan’izy mirahalahy, izay vao nodimandry tsy ela ireto no nohiraina teny an-tsehatra : « Ise kely » sy ny hira « Tanalahy ». Vahinin’ny tarika ‘Zay kosa Raboussa, nihira ny « Hatramin’izao », izay naverina nohiraina niaraka tamin’i Nary sy i Malala avy eo.

… Tamin’ny ankapobeny, afa-po ireo mpijery tonga marobe teny an-toerana… Miandry ny seho manaraka indray ny mpankafy !

HaRy Razafindrakoto

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique