
Rehefa nizotra tao anatin’ny iray volana, nifarana ny faran’ny herinandro teo ny « Festival Sar’nao » andiany faha-10. Nandritra ny lanonam-pamaranana no nanambaran’i Jean Paul Clement, tale jeneralin’ny Alliance Française eto Antananarivo (AFT) fa : « manohana tsy misy fepetra ny andiany manaraka amin’ny « Festival Sar’nao » » ry zareo. Notsiahiviny tamin’izany rahateo ilay anjara fampandrosoana ny kolontsaina iadidian’ny AFT. Raha tsiahivina, i Fidisoa Ramanahadray no nanorina ny « Festival Sar’nao ». Fisaorana no natolony ho an’ireo rehetra nifarimbona taminy hatramin’izay tamin’ny fampandrosoana ity hetsika ity.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.