Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raikitra ny fanaovaozana ny lisi-pifidianana

Hanao ahoana  ny ho  fahavitrihin’ireo hisoratra anaty lisi-pifidianana  amin’ity indray mandeha ity  ? Raikitra ary  efa nanomboka omaly ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, izay natao tany Toamasina tamin’ny fomba ofisialy. Misokatra ny lisi-pifidianana manerana an’i Madagasikara, ary hofaranana tanteraka ny 15 mey 2020. “Apetraka eny amin’ny lehiben’ny fokontany ny fangatahana ataon’ny olona mba ho voasoratra ao anatin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, ny amin’izany.

Hofaranana vonjimaika amin’ny 28 febroary 2020 izay lisi-pifidianana izay. Mbola mahazo 20 andro ny mpifidy hahazoany manamarina ny anarany ao anatin’ny lisi-pifidianana sao tsy tafiditra na diso ny anarana na ny laharan’ny kara-panondro. Fampidirana anaran’olona vaovao ny fanavaozana ny lisi-pidianana. Eo ireo tanora vao feno 18 taona mizaka ny zony sy ireo vao nifindra monina. Atao ihany koa ny fanalana anaran’ireo efa nodimandry, ireo nifindra monina, ireo voasazin’ny fitsarana.

R.Nd.

.

 

Les commentaires sont fermées.