Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Kaomoro: laharam-pahamehana ny herinaratra  

Manao ezaka ny Kaomaorianina, ankehitriny, manarina ny fahatarana amin’ny famatsiana herinaratra. Hatramin’ny taona 2017, efa 10 taona, tsy ampy tanteraka ny famatsiana angovo any Kaomoro, tsy misy asa fihariana mandeha araka ny tokony ho izy, raha ny fanamarihana nataon’ny Antenimieran’ny varotra, indostria sy ny fambolena any amin’io Nosy kely io. Niainga avy amin’ny fahitana izany ny nanoritan’ny filoha kaomorianina, i Azali Assoumani, ho laharam-pahamehana ny famatsiana herinaratra, rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana izy, ny taona 2016.

Famahana izany olana izany ny famokarana angovo azo havaozina avy amin’ny masoandro. Betsaka ireo fotodrafitrasa apetraka manodidina any an-toerana momba izany. Zakan’ny fahefa-mividin’ny mponina sy mahamora ny asan’ireo mpandraharaha izany, ahazoana famatsiam-bola avy any ivelany koa, anisan’izany ireo Kaomorianina monina any ivelany, indrindra ny any Frantsa, tombanana ho eo amin’ny 360 000.

 

M.C

 

 

 

 

 

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique