Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nahery ny onjan-drano, vaky ny lakaly: nieren-doza ireo mpandeha 120 tao amin’ny sambo Ariane Express

Nahery ny onjan-drano, vaky ny lakaly: nieren-doza ireo mpandeha 120 tao amin’ny sambo Ariane Express

Noho ny tafiotra sy onjan-dranomasina nahery, vaky ny lohan’ny sambo Ariane Express, mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Mahavelona Foulpointe, ny alin’ny asabotsy teo. Tafiditry ny rano ny lakaly. Nieren-doza ihany anefa ireo mpandeha miisa 120 noho ny fisian’ny lakana namonjy azy ireo.

Sambo lehibe iray mampitohy an’i Soanerana Ivongo sy Mahavelona Foulpointe ary Maroantsetra no nieren-doza, ny alin’ny asabotsy teo. Iny hitodi-doha ho any Foulpointe iny ny sambo Ariane Exprress no niharan-doza teo akaikin’Ambitsika-Mananara Avaratra, vokatry ny tafiodrivotra nahery vaika ka nitarika ny fahavakisan’ny lohan’ilay sambo, izay nitondra mpandeha miisa 120. Vokany, tafiditra tao anaty lakaly ny ranomasina. Nambaran’ny loharanom-baovao fa niainga tao Maroantsetra ny sambo, ny asabotsy teo manodidina ny tamin’ny 04 ora hariva,  izao niaram-boina.

 

Fepetra noraisina

Nanapa-kevitra nitodi-doha ao Mananara-Avaratra ny mpanamory ny sambo ka nila vonjy tamin’ny lakana iray antsoina hoe Melissa. Nafindra tamin’ity farany avokoa ireo mpandeha miisa 120 tao amin’ny sambo Ariane Express ary avotra soa aman-tsara. Tsy nisy noho izany ny naratra sy ny aina nafoy nandritra izany, araka ny loharanom-baovao.

Nohamafisin’ny loharanom-baovao ihany fa noho ny fanamboarana sambo na lakana tsy manara-penitra ao Maroantsetra sy Toamasina no antony mahatonga ny loza an-dranomasina. Matetika, hoy izy, tsy ampy ny fanaraha-maso ny fanamboarana sambo ka tsy mahafeno ny fepetra hanao ny fitanterana an-dranomasina akory nefa miasa.

 

Sajo sy Henintsoa Hani

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique