Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpampianatra Fram: efa nivoaka lisitra ho mpiasam-panjakana

Mpampianatra Fram: efa nivoaka lisitra ho mpiasam-panjakana

« Efa nivoaka ny lisitr’ireo mpampianara Fram voaray ho mpiasam-panjakana manerana ny Nosy, ho an’ny taona 2019 », hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena tany Manakara, ny faran’ny herinandro lasa teo, nandritra ny fanokafana ny taom-pianarana vaovao 2019-2020. Tokony ho feno ny antontan-taratasy rehetra vao alefa aty amin’ny minisitera foibe isorohana ny olana avy eo, hoy ihany izy. Nohamafisiny koa fa maimaim-poana ny fikarakarana ny taratasy ilaina eny amin’ny Cisco, eny amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Asa no alaina ny « équivalence ».Vita ny dinika tamin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola ka hafainganina ny fikarakarana ny fifanarahana momba ny asa hozaraina amin’ireo mpampianatra voaray ho mpiasam-panjakana. 8 500 ny isan’ny mpampianatra azo raisina ka tafiditra ao ny Fram, ny mpampianatra eny amin’ny fampianarana teknika ary ny mpandraharaha samihafa ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika. Natao ampahibemaso ny fandraisana teny anivon’ny Cisco hangarahara tanteraka.  5 5000 amin’izao fotoana izao ny mpampianatra Fram ka hotsinjaraina ara-drariny isaky ny Cisco ny fandraisana ho mpiasam-panjakana.

Nambarany fa hahazo CEG manara-penitra i Manakara ahitana efitra 24 ary misy toerana ahazon’ny mpianatra mikirakira informatika.

Vonjy A.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique