Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Minisitra Volahaingo – Taona  2020: « Handray mpampianatra Fram miisa 15 000 isika »

Minisitra Volahaingo – Taona  2020: « Handray mpampianatra Fram miisa 15 000 isika »

 

Handray mpampianatra Fram ho mpiasam-panjakana 1 5000 mahery  isika amin’ity taom-pianarana  2019-2020 ity.  Efa nolanian’ny depiote tamin’ny fandinihana  ny tetibola ho an’ny taona  ho avy izany… Mbola mitohy hatrany koa ny fanofanana  ireo mpampianatra”, hoy ny minisitra Volahaingo  Marie Therese, tany Vatovavy Fitovinany, ny herinandro teo.  Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana vaovao ny tenany tamin’izany.

Nampahafantariny tamin’izany fa  hanorenana  sekoly manara-penitra ireo distrika efatra any amin’ireo faritra ireo, araka ny tetikasan’ny filoham-pirenena.  Anisan’izany ny any Vohipeno, Manakara, Mananjary ary Farafangana.  “Efa manomboka ny asa any Farafangana amin izao fotoana izao ary hanomboka tsy ho ela ny ao Manakara sy ny hafa koa”, hoy ihany izy. Hahazo fitaovana  toy ny solosaina sy “tablette” ireo lycée sy CEG  marobe manerana ny Nosy. “Tanjona ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana arahin’ny fampitomboana ny isan’ ireo ankizy miditra an-tsekoly”, hoy  ny minisitra.

Ankoatra izany, nambarany fa hanatanteraka fambolen-kazo faobe ny minisitera, amin’ny 19 janoary 2020 ho famerenana an’i Madagasikara ho Nosy maitso, miainga amin’ny tetikasan’ny  filoham -pirenena andry rajoelina. Hamboly zanakazo dimy avy ny mpianatra rehetra.

Synèse R.

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique