Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lozam-pifamoivoizana-Ampitatafika: naratra ny renim-pianakaviana

Nitrangana lozam-pifamoivoizana, omaly antoandro manodidina ny tamin’ny 1 ora tolakandro teny Ambodiafotsy-Ampitatafika. Fiara Sprinter nentina mpivady iray hamonjy ny renivohitra no nivadika vokatry ny fandehanana mafy raha niala ny dongona iray teny an-toerana. Vokany, nivadika tanteraka ny fiara ary naratra ilay ramatoa raha tsy naninona kosa ny lehilahy vadiny. Ny fiara no nahitana fahasimbana goavana. Ankoatra izay, taxi-be niala moto nirimorimo mafy avy eto an-drenivohitra hamonjy an’Alakamisy no niharan’ny lozam-pifamoivoizana, omaly ihany. Raha ny nambaran’ny zandary misahana ny famotorana, teo amin’ny fiholahana no nitrangan’ny loza ka nianjera tamin’izany ny mpamily moto raha nivarina tanaty tatatra kosa ny fiara. Vehivavy iray naratra voakikin’ny fitaratra tao anatin’ny taxi-be sprinter raha tsy naninona kosa ny hafa. Fantatra ihany koa fa fiara iray no nivadika tetsy Imerinkasinina vokatry ny fandehanana mafy, omaly. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ny loza rehetra. Misokatra ny fanadihadiana.

 

H.H   

Les commentaires sont fermées.