
Notendren’ny Pari365.mg ho masoivohony eto Madagasikara, Andriamirado Arohasina na i Dax, mpilalao baolina kitra malagasy atsy Afrika Atsimo. Tontosa teny Ivandry, roa herinandro lasa izay ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Tsiahivina, fa trano mampanao ireny lalao hahazoana loka amin’ny alalan’ny fanatanjahantena ireny ny Pari365.mg.
Manampy ny sekolin’ny baolina kitra FC Dax Ambohimanarina, izay natsangan’ity mpilalaon’ny Barea ity ny fisoratana anarana, atao maimaim-poana ao amin’ny tranokala. Tsotra ny fidirana amin’izany, manokatra ny www.pari365.mg ka mampiditra ny «code» DAX10000.
Tsiahivina fa niforona ny volana oktobra 2019 ny FC Dax, izay efa misy eo amin’ny mpilalao 130 mianadahy, eo amin’ny 6 ka hatramin’ny 17 taona. Araka izany, mpanohana voalohany ny FC Dax ny Pari.365/mg.
Marihina fa manolotra hetsika ara-panatanjahantena maherin’ny 30.000, isam-bolana ny Pari365.mg, hahafahan’ny mpanjifa milalao ka hahazoana loka. Anisan’ny mampita mivantana ny fihaonana ataon’ny ekipa malagasy ihany koa ry zareo.
Torcelin
Les commentaires sont fermées.