Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Euro 2020»: tafara-bondrona i Frantsa sy i Portugal ary i Alemaina

Kitra – «Euro 2020»: tafara-bondrona i Frantsa sy i Portugal ary i Alemaina

Notanterahina ny asabotsy lasa teo, tany Bucarest, ny antsapaka ho an’ireo ekipam-pirenena tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, na ny “Euro 2020”, taranja baolina kitra. Anisan’ny vondron’ny fahafatesana sady maozatra ny ao amin’ny “F”. Tafaraka ao mantsy i Frantsa, tompondaka eran-tany sy i Portugal, tompondakan’i Eoropa ary i Alemaina. Miandry ny lalao sakana kosa ny ekipa fahefatra, ao amin’ity vondrona ity. Hanala vela amin-dry Cristiano Ronaldo, amin’ity ry Griezmann, izay resin’ny Portugal teo amin’ny famaranana, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, farany. Ankoatra izay, mbola mpifanandrina iray tsy azon’ireo ekipa roa tonta ireo tsinontsinoavina ihany koa ry zareo Rainiboto.

Marihina fa ny 12 jona ka hatramin’ny 12 jolay 2020 no hanatanterahana ity “Euro 2020”, ity. Tanàna 12 amin’ny firenena 12 manerana an’i Eoropa no hanaovana izany. Hanokatra ny lalao ho an’ity sokajy “F” ity, ao Munich, ny 16 jona 2020, i Alemaina sy ny Frantsay. Any Roma kosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, hikatrohan’i Italia sy i Torkia, ho an’ny sokajy “A”.

Vondrona efatra no mbola miandry ny lalao sakana vao ho feno tanteraka ireo ekipa handrafitra azy dia ny sokajy “C, D, E, F”.

 

Tompondaka

 

Toy izao ireo fizaram-bondrona :

 

Sokajy “A” : Torkia, Italia, Pays des Galles, Soisa

Sokajy «B» : Danemark, Finlande, Belzika, Rosia

Sokajy «C» : Pays-Bas, Okraina, Aostralia, lalao 1 amin’ny lalao sakana

Sokajy «D» : Angletera, Kroasia, Tsekoslovakia, ekipa 1 amin’ny lalao sakana

Sokajy “E” : Espaina, Soeda, Polonina, ekipa 1 amin’ny lalao sakana

Sokajy “F” : Portugal, Frantsa, Alemaina, ekipa 1 amin’ny lalao sakana

 

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique