Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitsy Toraka: tsy mahalala menatra !

Toe-javatra iray tena mahasorena amin’ny fanatanjahantena ny fahitana mpilalao iray mangala-taona. Na efa amin’izao andro mazava be izao aza, mbola misy hatrany ireo ekipa manao izany. Any amin’ireo ankizy madinika no tena iharan’izany. Misy mihitsy mantsy ireo mpanabe,  mampirisika ireo ankizy hanao izany. Toe-javatra lomorina satria tena tsy mendrika amin’ny fanabeazana. Tsy vitan’izay fa eo ihany koa ireo raiamandreny sasany, manome alalàna ireo zanany, hanao hosoka amin’izany taona izany. Tsy mahalala menatra izy ireo, amin’izany fa sahy mijoro vavolombelona, milaza fa tena taonan’ny zanany izany. Ny tena zava-doza, rehefa any amin’ny fifaninanam-pirenena vao tratran’ny tsy ampoizina ireo ankizy rehefa ampiasaina ilay fitaovana maoderina. Vokany, sady voasazy ilay zaza, no tsy afaka miatrika fifaninanana intsony. Tsy mahalala menatra anefa ireo mpanazatra amin’izany fa mbola miezaka miaro tena, amin’ny hadisoana sy ny halatra atao, ihany. Manomboka izao, mila famaizana henjana, izay hita fa manao izany, ka tsy avela hitantana fanatanjahantena intsony, satria tsy mahalala menatra.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.