Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Anaram-bositra ve no ifandirana

Tsy ny fanovana anarana amin’ny filazana ny lehiben’ny faritra «gouverneur» raha teo aloha «chef de région» no entina iadin-kevitra momban’ny fanajan’ny fanendrena azy ireo an’ny lalampanorenana. Mifaninana amin’ny fandresen- dahatra momban’izany ny mpahay lalàna andaniny sy ankilany, asa ny tena fahataperan’ny fahalalan’izy ireo fa toa any an-tendrony no hany jereny.  Ny aty an-tany tsy afaka manidina ambony nohon’ny tsy fananam-pahaizana manokana tsy mahatazana afa-tsy ny lesoka nohon’ny fitsirin’ireo voatendry hatrany tsy manam-pototra avy amin’ny fifidianana fa voatendry avy any ambony tsy araky ny voalazan’ny lalampanorenana no mandingana ny fenitra momban’ny fanapariahana fahefana. Izay no tena goavana, efa mihoatran’ny 15 taona izay, tsaroana tamin’ny fisantarana an’izao fomba kianina izao ny fanazavan’Andriamatoa Ravalomanana nanambara fa nohon’ny tsy fananan’ny mponina traikefa momban’ny fifidianana an’izay mpitarika mendrika eo amin’ny faritra ny antony tsy anomezana azy zo ifidy ny olona ho tompo-pahefana eo amin’ny faritra fonenany. Aiza ve dia vahoaka manana fahendrena ifidy izay ho filohampireneny dia tsy anana fahendrena ifidy filohan’ny faritra fonenany ? Nailika toy ny tsy nisy ny fisehon-kevitra toy izany, ny fiadin-kevitra koa moa dia hatrany no efa difotra tao anatin’ny adilahy pôlitika.

Raha toa tena hiditra amin’ny fiovana ankehitriny dia tsy maintsy avy amin’ny fifidianana ny fanendrena an’izay ho tompon’ny fahefana araky ny fanapariahana. Nohon’ny rafitra mifehy an’io fifidianana io anefa dia tsy afaka tonga dia hiroso, ireo mpifidy (ben’ny tanàna sy mpanolo-tsaina) amin’ny 27 Novambra vao ho fidina. Efa ela niandrasana anefa ny fampandrosoana, ary mpisolo vonjimaika ny hany mpitantana ny raharaha isaky ny faritra. Maika ny raharaha, toy izay koa ny Filoha ka nanapaka hevitra hiroso dia nanohy toy ny teo aloha fa porofo na antoky ny fiovana dia nanova ny anaran’ireo olona ametrahany toky no nametraka fehi-potoana ahafahana mitsara ny fanatanterahany adidy.
Na eo aza izany, rariny koa andaniny ny fiheverana fa tsy manara-penitra ny fitaizana ny vonjimaika ho rafitra raikitra ho hateza. Raha toa moa heverina tsy ilaina amin’ny fampandrosona ny fanapariam-pahefana aoka hazava fa ny sadasada mety ho loharanon’ny disadisa tsy mifanentana amin’ny voalaza na ny momban’ny fitantanana demokratika na eo amin’ny maha tany tan-dalàna.


Léo Raz

Laisser une réponse

Votre adresse email ne sera pas rendue publique