
Fihetsika tsotra sady efa fanombohana. “Antso avo ho antsika mpiray tanindrazana , ireo kandidà sy ny mpanohana ary ny tsirairay izahay mba hanao hetsika fanadiovana ireny afisy na peta-drindrina ireny satria tanànantsika Antananarivo”, hoy ny fanambaran-dRajerison Nicole Veronique sy ny ekipany. Nialoha izany, niarahaba sy nisaotra ny vahoakan’Antananarivo nahavita ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena nisafidy ny ho ben’ny Tanàna sy ho mpanolotsaina ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy. Nirary izy ireo mba hitondra fampandrosoana marina ho an’ny Renivohitra sy ny mponina ao aminy ny ben’ny Tanàna ho voafidy eo. “Aoka isika hiandry am-pitoniana, am-pilaminana ny vokatra ofisialy havoakan’ny tompon’andraikitra amin’izany”, hoy ihany ity mpanao politika avy eny amin’ny boriborintany fahadimy ity.
Synèse R.